Actualités

Kaominina Ambavahaditokana Hitohy ny fanamboaran-dalana mampitohy an’Itaosy amin’Ampitatafika


  • Alakamisy 25 Febroary 2010

Tontosa omaly Alarobia 24 Febroary ny fandraisana ara-teknika ny ampahan-dalana vita rarivato mirefy 975 m mampitohy ny faritr’Itaosy amin’Ampitatafika RIP 34 ao anatin’ny kaominina Ambavahaditokana.

 

Lelavola 119 tapitrisa Ar tamin’ny 180 tapitrisa Ar novatsian’ny FER no lany, nandritra ny roa volana nanatontosana ny asa. Nandray an-tanana izany  ny orinasa Srafi etsy Ambodivona izay nahita ny aretin’ny lalana  tokoa. Tamin’ny taona 1965 mantsy no vita tara io lalana io ary tsy nisy fanamboarana  intsony. Tsy vitsy ireo nikaikaika vokatr’izany. Vahoaka an-jatony anefa no mivelona amin’iny faritra iny ary saika mampiasa fiara avokoa ny ankamaroany. Nanapa-kevitra àry ny ben’ny tanànan’Ambavahaditokana fa hitady vahaolana.  Natao ny asa fanamboaran-dalana ary vita soa aman-tsara ny ampahany voalohany. Tsy hijanona hatreo anefa izany noho ny fisian’ny ambim-bola fa mbola hitohy ary hanomboka amin’ny herinandro ho avy io ny asa. Eo amin’ny PK 980 no hanombohana izany mandrapahafenon’ny 500 m. Marihina fa kaominina efatra no voakasik’ity lalana ity dia ny kaominina Itaosy, Andranonahoatra, Ampitatafika ary Ambavahaditokana tompon’ny asa.
 
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT