Tsy tsara intsony raha ny mpanao politika no mitantana ny kaominina fa tokony
hovaina mpampianatra amin’izay raha te handroso.
Fanehoan-kevitr’Atoa Raberahona
Andriamananoro izany raha nilaza ny fahavononany hilatsaka hofidina ho ben’ny Tanàna
ao Ambatomarina distrikan’i Manandriana ny tenany. Manana vahaolana mahomby
hahazoan’ny mpampianatra sy ny mpianatra tombontsoa izy. Efa misy koa ny vahaolana
narosony hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Mpampianatra mahay
mitantana no mampandroso, hoy ihany ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.