Misedra olana goavana ny fitantanana ny Kaominina Ambanivohitra amin’izao fotoana ka mampitaraina ny Ben’ny tanŕna. Hatramin’izao mantsy na dia efa mijoro ara-dalŕna aza ny fitondram-panjakana dia tsy mbola nandrotsaka ny fandoan’ny fanjakana ho fanohanana ny fampandehanan-draharaha ho an’ny kaominina na dia misy ny sora-bola izay tokony hosahanin’ny fanjakana mifandraika amin’izany aza.....
Raha ny nambaran’ny Ben’ny Tanàna iray, izay nisafidy tsy hotononina anarana dia efa ny volana Aogositra taona 2013 no nahazo tohana ara-bola farany tamin’ny fanjakana ny kaominina. Misy anefa ny vola izay tokony haloan’ny fanjakana mivantana ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina toy ny karaman’ny mpamoaka fanafody sy ny mpiambina CSB ireny izay mitentina 100.000 Ariary isam-bolana no tsy voaloa mihitsy, ankoatra ny vola hafa fampandehanan-draharaha.
Raha ny nambaran’ity Ben’ny Tanàna ity ihany dia ren’izy ireo fa tsy mbola misy mangirana io resa-bola io noho ny antony fanovana ny mpitantana sy ny mpanao sonia ny vola raha efa saika hivoaka ilay vola teo aloha. Velon-taraina, araka izany, ny Ben’ny Tanàna ary manao antso avo amin’ny mpitondra mba hijery ny eny ifotony satria raha ny asa sahanina dia be lavitra noho ny an’ny solombavambahoaka no sahanin’izy ireo kanefa vao nangataka ireny dia nomena fahafaham-po.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.