KAOMININA ALASORA

Zokiolona 1.500 isa nozaraina fanomezana


  • Zoma 21 Jona 2024

Zokiolona 1.500 isa nanomboka omaly Alakamisy 20 Jona no nozaraina fanomezana

na solombody akoho ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano noho ny fahatongavan’ny Fetin’ny 26 Jona. Mihoatra ny 70 taona avokoa izy ireo hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona izay nosokafana tamim-pomba ofisialy tao amin’ny Kianja Maitso. Ireo mbola salama sy afaka nandeha no notolorana izany tao an-toerana omaly raha mbola hotsidihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ny ekipany any an-tokantranony kosa ireo tsy afaka mandeha lavitra intsony na tsy salama. Nambarany tamin’io andron’ny omaly io fa hisitraka izany avokoa ireo zokiolona manerana ny Fokontany 20 isa mandrafitra ny tanana hiadidiany. Betsaka ireo efa nisoratra anarana saingy nisy ihany koa ireo mbola taraiky fa tsy ho diso anjara mihitsy. Nitohy avy hatrany tany amin’ny Fokontany Ambohidrazaka sy Ambohitanety moa ny dian’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany omaly maraina raha tao amin’ny Yandy By pass sy tao amin’ny Fjkm Ambodivondava kosa no namaranana izany omaly hariva.
Pati
Legende : Nafana tahaka izao ny fizarana ilay solombody akoho tao Alasora omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT