Actualités

Kaominina Alasora Notsipahin’ny filankevi-panjakana ny fitoriana ny Ben’ny tanàna


  • Zoma 06 Novambra 2020

Tsy afa-po tamin'ny didy navoakan'ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana tamin’ny desambra 2019, izay manambara ny fahalanian'ny Ben'ny Tananan'Alasora amin'izao fotoana izao Atoa Jimmy Randriantsoa ny

 

 

 

kandida ho mpanolontsaina 1 avy ao amin'ny fikambanana TAMI na Talasora Miray sy ny kandida Ben'ny Tanana laharana faha-3 tao amin'ny kaominina Alasora. Noho izany dia nampiakatra izany teny anivon'ny Filankevi-panjakana ireo mpitory ny 20 janoary 2020. Ny fanafoanana io didy nahalany ny Ben'ny Tanana an'Alasora lany tamin'ny anaran'ny TIM, Atoa Jimmy Randriantsoa moa no nangatahan'ireto farany. Noho ny fisian’ny fihibohana anefa, dia taty amin’ny volana novambra vao nandeha ny fitsarana. Nivoaka ny alarobia teo ny didy teo anivon'ny fitsarana ambony, izay nanambara fa tsy marim-pototra ny fitoriana izay napetrak'ireto farany. Nolavin'ny fitsarana ny fitoriana, ary nanamafy ny didy navoakan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny Fanjakana ny teo anivon'ny Filankevi-panjakana. Manohy ny azy sy nohamafisin’ny fitsarana izany didim-pitsarana ofisialy nilaza ny fandresen’i Jimmy Randriantsoa ity, ary mitohy ny asa maha ben’ny tanànan’Alasora azy, na teo aza ny finiavan’ireo tsy maty voalavo an-kibo hamingana azy. Ho azy, ary resahiny matetika dia ny tanàna no zava-dehibe indrindra, ary manoka-baravarana amin’ny rehetra tsy ankanavaka ny tenany ho fampandrosoana an’Alasora amin’ny lafiny rehetra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT