KAOMININA ALASORA

Maimaimpoana ny fanamboarana kopia ho an’ny mpianatra


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Toy ny fanaony isan-taona dia miezaka manao izay vitany ny kaominina Alasora,

tarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy entina hanampiana ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra rehefa fidiran’ny mpianatra tahaka izao. Amin’ny alalan’ny fanamboarana kopia fohy maimaim-poana no hanatontosany izany izay vita ao anatin’ny 5 na 10 minitra ihany koa fa tsy mihoatra izay. Nanomboka afak’omaly Alatsinainy 19 Aogositra ny hetsika ka tamin’io andro io fotsiny dia efa nahatratra 150 ireo Ray aman-dReny tonga nikarakara izany. Mety mahatratra hatrany amin’ny 500 isa izany rehefa tena betsaka raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana hatrany ka mifanome tanana amin’ny fanamboarana izany avokoa ireo mpiasan’ny kaominina. Notsiahiviny moa fa tsy hijanona amin’ny fanamboarana kopia fohy maimaim-poana tahaka izao ny hetsika hataon’ny kaominina. Hisy ihany koa mantsy amin’ny datin’ny 31 Aogositra ho avy izao ny fanatanterahana ilay fitsarana mitety vohitra ka ankizy latsaky ny 18 taona miisa 200 no ezahina omena kopia mari-pahaterahana mandritra izany mna ho fisitrahan’izy ireo ny zony amin’ny maha-olom-pirenena feno azy.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT