KAOMININA ALASORA

Hametraka jiro vaovao 600 isa


  • Talata 16 Jolay 2024

Miezaka miady amin’ny tsy fandriampahalemana ny kaominina Alasora, tarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy

ho fiarovana ireo olona tsy afaka mandeha taxibe fa mandeha tongotra rehefa mody amin’ny hariva. Jiro miisa 600 no fantatra fa hapetrak’izy ireo manerana ireo Fokontany mbola tsy manana izany ato ho ato, famatsiam-bolan’ny Agence Francaise de developpement. Mikasika ny halatra fil mitondra ny herinaratry ny JIRAMA nisy nangalatra tao amin’ny Fokontany Mahatsinjo ny 30 May lasa teo moa dia nambaran’ny Ben’ny tanana fa efa voasolo avokoa izy ireny izay mirefy 500 metatra. Ho an’ny ao amin’ny Fokontany Ambodivondava miazo an’i Miadana miakatra ao Mausole kosa dia mbola efa eo am-panangonana ny vola hividianana izany fil mitondra ny herinaratry ny JIRAMA manazava ny eclairage public izany ny kaominina izay mirefy 500 metatra ihany koa. Notsiahivin-dRandriantsoa Jimmy moa fa efa niresaka tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny orinasa JIRAMA ny tenany mikasika ity halatra fil-n’ny JIRAMA mitranga matetika ao amin’ny faritra hiadidiany ity. Nanomboka ny taona 2016 mantsy ny kaominina no efa niara-niasa tamin’ny JIRAMA saingy tamin’ity taona 2024 ity vao tena nirongatrabe tahaka izao ny halatra fil. Fantatra tamin’izany moa fa nanala mpiasa tsy vita fifanarahana maromaro nametaka fil tao Alasora ny orinasa JIRAMA. Mpiasa efa havanana amin’ny fametahana ireny fil an’ny JIRAMA ireny avokoa ireto farany ka izy ireo no ahiahiana hatreto.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT