Actualités

Kaominina Alasora Dimy minitra dia vita ny kopia


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Miroso tanteraka amin'ny fanatsarana ny tolotra omena ireo vahoaka ao aminy ny kaominina Alasora, tarihin'ny Ben'ny tanàna Randriantsoa Jimmy.

Efa vita ao anatin'ny 5 na 10 minitra mantsy izao ny kopia iray alaina ao amin'izy ireo, fiovana manara-penitra efa niainan'ny mponina efa ho tapa-bolana izao. Raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana dia vokatry ny fanohanan'ny Prodicide Giz azy ireo no nahafahany nikarakara ilay rindram-baiko namadihana ho ao anaty soloina ireo boky marobe mirakitra ny anaran'ireo olona teraka na maty...tao amin'ity kaominina ity. Ny 50 isan-taon'ireo boky no efa tafiditra ao anatin'ny solosaina ankehitriny. Marihina moa fa 600 Ar ny manao kopia iray amin'izao ao amin'ny kaominina Alasora. Vita ao anatin'ny fotoana fohy daholo kosa na kopia mariazy na fahaterahana na fanjanahana na fahafatesana....Tanjon'ny kaominina moa ny hampihena ny fanamboarana kopia ho 2 na 3 minitra ao aminy hatramin'ny taona 2024. Tsiahivina fa nahatratra 1000 mahery isan-taona ny zaza teraka ao Alasora. 418 kosa ireo maty tamin'ny taon- dasa raha 555 ireo vita mariazy.

Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'Alasora

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT