KAOMININA ALASORA

Ankizy miisa 200 notolorana kopia mari-pahaterahana


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Ankizy miisa 200 no indray notolorana kopia mari-pahaterahana omaly Alarobia 04 Desambra tao amin’ny Kaominina

Alasora, distrikan’Avaradrano. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Kaominina tamin’ny Fikambanana Lions Club Antananarivo Manjakamiadana no angady nananana sy vy nahitana izany. Nambaran’ny Ben’ny tanana mpisolo toerana Raharimanantsoa Hery Aina Tsiry fa zava-dehibe ho an’ireo ankizy mbola tsy manana kopia ao amin’ny faritra misy azy ny hetsika tahaka izao mba hahatonga azy ireo ho olom-pirenena feno. Rehefa tsy manana kopia mari-pahaterahana mantsy ny ankizy iray dia nambarany fa tsy hahazo karapanondrom-pirenena ihany koa rehefa feno 18 taona. Ny Kaominina moa no niantso ireo olona manan-janaka mbola tsy manana kopia teny anivon’ny Fokontany mba handray anjara tamin’ny hetsika. Noho ny tahotra hanatona birao, arahin’ny fahasahiranana kosa no voalaza fa anisan’ny antony tsy nanatonan’ireo Ray aman-dReny ny biraon’ny kaominina nikarakara ny kopia an-janany raha misy ihany koa ireo miteraka an-trano. 12 andro aorian’ny fahaterahan’ny zaza iray moa farafahatarany no tokony hanaovana ny fanambaram-pahaterahana eny anivon’ny Kaominina.
Pati
Legende : Raharimanantsoa Hery Aina Tsiry, Ben’ny tanana mpisolo toerana eo anivon’ny Kaominina Alasora !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT