KAOMINÎNA ALAKAMISY-

VONTOVORONA Miomana amin'ny


  • Zoma 14 Novambra 2025

fiatrehana ny fotoam-pahavaratra

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny fotoam-pahavaratra isika eto Madagasikara ankehitriny. Miomana fatratra amin'izany ny kaominîna Alakamisy Vontovorona tarihin'ny Ben'ny tanana Rasolonirina Mendrika. Raha araka ny fanazavana nomeny dia efa mandeha amin'izao ny fanokafana ny tata-drano hisorohana ny riaka sy ny rano maloto tsy hiparitaka eny rehetra eny ka hanampy trotraka ny ranon'orana. Toraka izany koa ny fanalana ny fako amin'ny toerana maro. Voakasik'izany manokana ny ao amin'ny tsenan'Alakamisy izay maro vahiny mpiantsena avy aty ivelany. Hanaovana ezaka manokana ny fanalana ny fako ao amîn'ity tsena ity mba tsy hivangongo ka sanatria hiteraka fofona sy lalitra rehefa avy ny orana. Miteraka aretina mantsy izany raha tsiahivina. Nomarihin'ity Ben'ny tanana ity moa fa efa misy ny toerana fanatobiana ny fako ho an'ireo kaominîna 4 manodidina eny an-toerana. Havadika ho zezika sy gazy azo handrahoan-kanina izany ka mponina maro ao amin'ny kaominîna hiadidiany no efa nahazo tombontsoa.
Pati
Légende : Mendrika Rasolonirina, Ben'ny tananan'ny kaominîna Alakamisy Vontovorona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT