Kaominina Alakamisy Fenoarivo

Hanaovana sefom-pokontany 2 valifaty politika ny « Vatsy Tsimbina » ?


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Mikarakara ny sosialy avy any amin’ny fanjakana foibe ny sefo Fokontany roa ao amin’ny Kaominina Alakamisy

Fenoarivo dia ny ao Ankadivory sy Ambohimasina. Maro ireo olona no tsy ao anatiny lisitra, ireo olona anefa dia olona sahirana ara-pivelomanana sy mananon-tena, raha ny fitarainana. Manahy arak'izany ireo vahoaka sy mponina maro an'isa tsy tafiditra anaty vatsy Tsimbina fa valifaty no ataon'ireto tompon'andraikitra ny fokontany ao Ankadivory sy Ambohimasina ireto. Tsy ela tokoa manko izay no vita ny fifidianana ben'ny Tanana, ary hita ny fironan’ireto sefo fokantany sy mpiara-miasa aminy ireto tany amin’ny ilay kandida tsy lanim-bahoaka. Ny Zoma nialohan’ny famoahan’ny fokontany lisitra ny sabotsy dia efa nanakoako eraky ny tanana ny feo avy amin’ireo olona akaiky ny sefo fokontany hoe : tsy anaty lisitra izay mpifanandrina nandresy antsika tamin’ny fifidianana, hoy ny fanamarihan’ireo vahoaka. Mipetraka eto ny fanontaniana ary hoe : valifaty sa tsy fahazakana demokrasia tsotr'izao !? Miantso ny tompon'andraikitra ao anivon'ny kaominina, distrika ary ny Ministeran’ny mponina ireo vahoaka manerana ny tanana, ka miparitaka amin’ny tambazotra serasera nanomboka ny farany herinandro lasa teo ny fitarainana, mba hijerena akaiky ny zava-misy. Mila fitaratra ny tompon'andraikitra fokontany ety ifotony, ary mila mampajaka ny rariny, hitsiny ary ny fahamarinana, hoy ny vahoaka. Tsy misy tsy mahalala hatrany ny antso ataon'ny filoha rahateo milaza fa filoha ny Malagasy rehetra aho, hoy ny fampahatsiahivan’izy ireo. Tsara marihina fa hita matetika manerana ny Nosy izao olana izao. Miantso ny vahoaka Malagasy mba ho olona voafidim-bahoaka amin’izay ny mitondra ny fokontany fa tsy olona apetraka sy atao tsetsin-tatatra ihany fotsiny. Milaza fa hitaky ary tsy hanaiky moa ny mponina ao Alakamisy Vontovorona fa mila sefo fokontany vaovao. Andrasana ny tohiny !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT