Actualités

KAOMININ’I BRICKAVILLE Mitaky drafim-pandaminana vaovaon’ny tanŕna ny vahoaka


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Tsy mety mivoatra ny kaominin’i Brickaville noho ny fahanteran’ny tany azo hanaovana fanorenana vaovao, vokatry ny tsy fisian’ny tany azo hananganana foto-drafitrasa sy orinasa ho an’ireo mpandraharaha intsony

. Noho izany olana izany dia mitaky drafim-pandaminana ny tanana vaovao ny vahoaka araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana TMVRB, Tanora Miray Vohitra Rongaronga Brickaville, izay tarihan’ny filohany Atoa Mananjara Paul Hubert. Ho azy ireo mantsy dia voatery eo anatin’ny tanin’ny Sirama ny tanana ka tsy afaka mihitatra sy mivoatra intsony, ka hatrao an-tampon-tanana aza dia feno an’io tanin’ ny Sirama io izay lasa olana ho an’ny mponina. Raha ny tarehimarika dia ny 2/3 ny tany manodidina sy ao anatin’ny kaominina dia tanin’ny Sirama avokoa, izay tsy azo kitihana  satria tany manan-tompo ara-dalàna. Araka ny fanazavana avy amin’ny fikambanana TMVRB mantsy dia efa saika nampisy sakoroka ny fanalana ireo vahoaka sy ny tantsaka nanangan-trano sy namboly tao anatin’ny tanin’ny Sirama tao an-tampon-tananan’i Brickaville tsy ela akory izay, nefa ny orinasa efa maty tsy mbola hay ny ho fanarenana azy, ny mponina maro ny tsy an’asa, ny vahoaka mitombo. Ireo mpandraharaha te-hiditra no tsy mahita aleha koa ao anatin’izay noho tsy fisian’ny tany manodidina hanaovany ny asany. Vokany na ho iza ny ho olom-boafidy ho mpitondra ao Brickaville ao, raha mbola izao zava-misy maha-voatery ny tanàna ao anatin’ny tanin’ny Sirama izao no mbola iainana ao, dia tsy hisy fampandrosoana handeha izany any an-toerana.Ny biraon’ny kaomisaria tokony hatsangana any an-toerana aza tsy mety vita noho io olana ara-tany ao an-tampon-tanànan’i Brickaville izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT