Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy Rakotonirina Alain Michel, filohan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Betafo, Faritra
Vakinankaratra izay vao avy napetraka tamin’ny toerany ny 26 Jona lasa teo, fotoana nahatsiarovana manokana ny tsingerin-taona faha55 taona nahazoantsika ny fahaleovantena. Vokatry ny fifanenan’ny môtô nentiny tamina fiara tany amin’iny lalam-pirenena fahafito iny no nahatonga ny loza ka maty teo no ho eo ity tompon’andraikitra ity. Ny zoma alina tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any no nisehoan’izany, raha araka ny vaovao voaray. Nandrasana tao amin’ny lapan’ny tanàna nanomboka ny sabotsy lasa teo ny razana. Tsiahivina fa vao 36 taona monja, i tompokolahy, namela kamboty telo mianadahy. Raha tsiahivina moa dia delegen’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara ao Betafo ny tenany izao voatendry ho filohan’ny delegasiona manokana izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.