Kaomandin'ny sambo M

S Maeva Maty teny ambonin’ny sambo niasany


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Nodimandry teny am-pandehanana ny sabotsy 19 aogositra 2023 i Manandaza Anselme, 41 taona, mpitondra ny sambo M/S Maeva. Sambo mpitondra entam-barotra,

niainga tao Toamasina handalo Diego ary hiazo an'i Nosy Be izy ity. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy, tsy nahitana soritra na ratra ny vatany, araka ny filazan'ny mpitsabo sy ny Polisim-pirenena nanatri-maso ny razana. Efa nilaza ho nararirary izy alohan'ny niaingana tao Toamasina ny 18 aogositra ary naka toerana natory nakana aina. Mbola nivoaka nijery ny ekipa izy tamin'ny 3 ora maraina, nony nisy olana ny sambo. Tamin'ny 12 Ora antoandro vao namoha azy hisakafo ny ekipa. Hita tamin'izany fa tsy nahatsiaro tena izy. Nony tonga teo amin'ny fari-dranomasina mifanandrify an'i Sainte Marie anefa dia tsikaritra fa tsy nisy aina intsony ity mpitondra sambo ity, hoy ny fanazavana. Nantsoina avy hatrany ny APMF izay sampan-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina avy ao Sainte Marie, saingy rehefa tong any APMF niaraka tamin'ny mpitsabo dia tsikaritra fa efa tsy nisy aina intsony ity mpitondra sambo ity, araka ny fanampim-panazavana hatrany. Nambenana tao Sainte Marie ny razana halina, ka ny fikambanana Zanak'i Fenerive Est - Soanierana Ivongo - Vavatenina (ZAFENOSOAVA) no nikarakara mandra-pitondrana azy an-tanindrazany ao Ambodimangan'i Mahalena, kaominina Ambatoaranana, Fenoarivo Atsinanana. Efa lasan'ny fianakaviana ny razana androany 20 aogositra maraina. Nambaran'ny fikambanana nandray an-tanana azy fa nandrasana teo an-davarangana ny razana noho izy mpihavy satria tsy nahitana trano nefa nisy olana ny fangatahana ny tranompokolona tamin'ny ben'ny tanànan'i Sainte Marie, hoy hatrany ny tatitra.
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT