Actualités

Kandida Robson Rijason Olivier Vonona hampihatra ireo toromariky ny antoko TIM


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Nanan-danja ny fiatrehana ny kongresim-paritry ny antoko Tiako I Madagasikara Analamanga ho an’ny kandida ben’ny tanàna Robson Rijason Olivier. Tena nilaina ny fifanatrehan-tava tamin’ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc ka

 

nifampizarany ireo traikefa marobe hananany amin’ny fifandraisana eo anivon’ny fiarahamonina miaraka amin’ireo toromarika betsaka amin’ny fomba fitantanana tanàna sy ny firenena, hoy ity kandida TIM izay hifaninana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza ity. Sarotra rahateo ny fifaninanana amin’ilay kandida atolotry ny antokon’ny mpitondra fanjakana saingy mahatoky tanteraka ny hibata fandresena ny lehilahy. Fanoitra lehibe ho an’ity kandida ben’ny tanàna TIM ity ny fahavononany hampihatra ireo paikady sy torolalana naroson’i Dada hiatrehana ny fifidianana kaominaly ny 31 jolay 2015 izao. Efa fantatra ny asa laharam-pahamehana ho an’ny mponina 11.000 mahery ao amin’ireo fokontany 19 mandrafitra ny tanànan’Antanetibe Mahazaza dia ny fanamboaran-dalana miaraka amin’ireo fotodrafitrasa marobe toy ny tsena ary ny fampidirana rano fisotro madio, hoy ny kandida Robson Rijason Olivier.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT