Actualités

Kalon’ny Fahiny sy Ba Gasy Hanakoako eny amin’ny AFT Andavamamba


  • Sabotsy 09 Aogositra 2014

Mankalaza ny faha-15 taona niorenany amin’ity taona ity ny tarika R’Imbosa. Hanatanteraka fampisehoana rindran-kira manasongadina ireo Kalon’ny Fahiny miaraka amin’ny Ba Gasy

ny tarika ho fanamarihana io tsingerintaona nisiany io anio hariva eny amin’ny trano filanonan’ny Alliance française Andavamamba. Hanotrona azy ny tarika Aro Kanton’ny Fahiny. Lohahevitra nofinidin’ny R’Imbosa rahateo ny hoe «R’Imbosa mifampizara sehatra». Tsara ihany ny mampahatsiahy fa niainga tamin’ny taona 1969 ny tantaran’ity karazana mozika ity ka ny Fikambanana teatraly sy zavakanton’ireo mpianatry ny oniversite eto Madagasikara no namelona ireo hira fahizay tao amin’ny «Grand Amphi» oniversiten’Ambohitsaina. Avy ao no niforona ny tarika Solika ny taona 1989 mialoha ny hiofony ho R’Imbosa ny taona 1999, izay tarihan’i Mbosa Rabenasolo. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT