Kaikitra hafahafa mahazo ny omby

Hiroso amin’ny famonoana alika faobe ny ao Brickaville


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Tamin’ny amin’ny oktobra 2022 no nirongatra ny fisiana tranga mahazo ny

omby izay misy biby voalaza fa tsy fantatra sy mbola misitery mihinana azy amin’ny alina, any Brickaville. Tranga izay misitery tamin'ny mponina, noheverina ho biby tsy fantatra tonga manafika zanak'omby mifatotra amin'ny alina. Somary lefilefy saingy nirongatra indray tato anatin’ny 3 volana, ka omby 12 teo no efa voa tato ho ato, raha toa ka efa manodidina ny 40 hatramin’izay. Saika maty avokoa ny ankamaroan’ireo omby izay voakaikitra eny amin’ny vavany, sofiny, kibony izay tena maratra mafy mihitsy. Nisy ny fanadihadiana lalina notarihin'ny sampana miandraikitra ny Fitsaboana biby (Direction de Service Vétérinaire) avy amin'ny minisiteran'ny Fambolena sy Fiompiana, ka voalaza fa mety andiana alika lian-dra no manaikitra, mamparatra omby any Brickaville. Raha ny tatitra dia nisy ny olona nijoro vavolombelona nahita aliaka mihoson-dra, fa na izany aza dia mbola maro ireo olona mieritreritra fa mbola misitery tanteraka ity tranga hafahafa ity. Eo anatrehan’ny zava-misy, hiroso amin'ny famonoana alika faobe any Brickaville ny tomponandraikitra manomboka anio 11 janoary 2024, ary efa mandeha ny fanentanana mialoha. Ny alika mirenireny no hovonoina amin'ny alalan'ny poizina, raha ny fanazavana. Nomarihina nandritra ny fivoriana niarahana tamin'ny tomponandraikitra tany an-toerana fa efa nisy tranga toy ity tany Nosy Varika, ary nitsahatra taorian'ny famonoana alika faobe, hoy ny tatitra. Heverina ho antony mahatonga ny alika ho nanafika omby ny tsy fahafahan'izy ireo intsony niditra tao amin'ny labatoara Brickaville, taorian'ny famefena ity toerana famonoam-biby ity nanomboka ny taona 2022, hoy ny petra-kevitra nivoaka.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT