Actualités

Kafe Malagasy Tsy mitsaha-mitotongana


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2014

Tsy nitsahatra ny nitotongana ny famokarana kafe malagasy tao anatin’ny taona maro izay. Antony maro no nahatonga io trangan-javatra io toy ny fahanteran’ny voly, ny faharatsian’ny tontolo fambolena na koa ny fampiasana masomboly ratsy kalita

. Ohatra mivaingana manaporofo izany ny tarehimarika navoakan’ny minisiteran’ny Fambolena izay milaza fa raha 47.767 taonina ny vokatra tamin’ny taona 1998 dia nilatsaka hatrany amin’ny 12.974 taonina izany ny taona 2000. Misy akony tena lehibe amin’ny fihenan’ny fanondranana kafe vokatra eto Madagasikara eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena ity fisehon-javatra ity. Manamarina azy io ny voalazan’ny lalànan’ny Tetibolam-panjakana voahitsy izay mampidina ny fanondranantsika kafe hatrany amin’ny 46,7%. Ny firenena frantsay moa no mpanafatra kafe voalohany miainga avy eto Madagasikara ka nitentina 21 tapitrisa dolara mahery ny vola nampidirina tamin’ny taona 2011 ary mihoatra ny 38 tapitrisa dolara kosa izany ny taona 2012. Firenena faharoa mankafy ny kafe Malagasy kosa ny avy any Singapour izay nampidi-bola hatrany amin’ny 93 tapitrisa dolara mahery tamin’ny taona 2011 saingy nihena tany amin’ny 45 tapitrisa dolara izany ny taona manaraka ary nidina ho 32,114 tapitrisa dolara tamin’iny taon-dasa 2013 iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT