Actualités

Kabarin’i Andry Rajoelina Filma efa nandeha


  • Zoma 26 Febroary 2010

Tao anatin’ny herinandro dia indroa nanao fanambarana ho an’ny Malagasy i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

 

Herinandro lasa izay, ny 17 febroary, nialoha indrindra ny fivorian’ny Groupe International de Contact tany Addis Abeba, dia nanizingizina ny hanatanterahana fifidianana amin’ny volana mey ny tenany narahin’ny fanambarana ho ren-tany ho ren-danitra fa na inon-kidona na inon-kihatra, tsy matahotra izay hiharan’ny sazy arangaran’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy. Herinandro aty aoriana, mihoalahoala i Andry Rajoelina na tsy mivantana aza. Miantso atrikasa mandritra ny roa andro, ny 04 sy 05 martsa, hanomanana fifidianana. Hampihatra izay tenierana tapaky ny mpizaika amin’izany. Tsy nahomby ny fiaraha-mitantana, tsy nahitam-bokatra ny herintaona nanaovan’ny vahiny fanelanelanana tamin’ny krizy. Hanokatra ny andrimpanjakana amin’ny ankolafin-kery rehetra. Handamina ny fanaovana politika eto Madagasikara. Hanangana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana… Fito minitra teo no naharetan’ny kabariny. Filma efa nandeha no betsaka. Miharihary na tsy nitsotra aza i Andry Rajoelina fa tsy ankatoavin’izao tontolo izao ny fitondrany, ka dia mitady hirika mafy hanamasinana izany. Dia manao sarintsarim-pisokafana, sarintsarim-piarahana, fa ny fomba fanao atao ihany. Raha vonona ny hanova na hanadio ny fomba fanaovana politika eto i Andry Rajoelina, efa nanao hetsika mahakasika ny gadra politika, izay misy efa folo volana am-ponja nefa tsy tsaraina. Manaraka indray, ny amin’ny fisokafana amin’ny andrimpanjakana dia tantara efa nandeha tamin’ny volana septambra 2009, raha nanome 72 ora an’i Monja Roindefo hanangana sarintsarina governemantan’ny firaisam-pirenena izy. Nisy ny fanangonana «CV» taorian’ny «antso avo» natao. Nijoro ny governemanta «repoblikana» ny 08 septambra 2009, fa mandrak’ity ny anio, tsy nahazo fankatoavana iraisam-pirenena. Na ambasadaoro iray aza tsy tonga teny Mahazoarivo. Maro ny fikaonandoha, atrikasa, fivoriana  … niseho teto. Teny amin’ny Panorama tamin’ny jolay 2009, im-polo kely ny teny amin’ny Centre de Conférence International Ivato, niandoha tamin’ny fikaonandoham-pirenena ny 02 sy 03 aprily 2009 namoahana tetiandrom-pifidianana, ny 06 sy 07 janoary 2010 nandrafetana volavolan-dalàna samihafa mikasika ny fifidianana, notohizana ny 02 febroary 2010 namaritana fa amin’ny volana mey ny fifidianana. Santionany ihany ireo, fa nitondra inona ? Vao mainka nirongatra ny tsy fandriampahalemana, andro aman’alina ny fikatonan’ny orinasa, mitombo isan’andro vaky ny isan’ny tsy an’asa, mitotongana ny toekarena, tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, nanidy trano ny mpamatsy vola, ny mpampiasa vola teto nangoron’entana, vao mainka manamafy izao tontolo izao fa tsy mankato io fitondrana io, ary ho avy ny sazy raha tsy ampiharina izay efa nifanarahana dia ny Maputo sy ny tovana Addis Abeba. Tsy nanonona na dia indray mandeha monja izany anefa i Andry Rajoelina. Mazava ny antony, ny fampiharana ny Maputo sy Addis Abeba dia midika fa miroso amin’ny famotsoran-keloka ary miverina an-tanindrazana i Marc Ravalomanana. Atahoran’i Andry Rajoelina sy ireo mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ary ny Frantsay manohana azy ireo mafy anefa ny hahatanterahan’izany fiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana izany dia aleony mikiribiby mandany andro sy fotoana dia mitarozaka eo ny tetezamitany. Koa raha hiantso atrikasa i Andry Rajoelina amin’ny 04 sy 05 martsa, dia karazan’ny ho fandaniana andro ihany izany, raha tsy hoe : atrikasa handinihana ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana Addis Abeba angaha.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT