Julien Razafimanazato

«Any an-tsekoly fa tsy any am-ponja no tokony hisy ny mpampianatra»


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Any an-tsekoly no toerana tokony hisy ny mpampianatra, hoy ny minisitry ny

fanabeazam-pirenena teo aloha, Julien Razafimanazato, fa tsy any am-ponja. Olompirenena tahaka ny olon-drehetra ny mpampianatra, mpanabe, hoy izy. Manan-jo feno maneho ny heviny eo anivon'ny fiarahamonina izy. Tsy hoe satria sahirana noho ny politika goragora eo amin'ny lafiny fanabeazana eto amintsika ny mpanabe ka ho azo lalaovina amin'izay itiavana azy! Tsia, tsy mety izany! Ny tolona rehetra nisy teto Madagasikara, 1972, 1991, 2002, 2009 dia nandray anjara hatrany ny mpanabe ary nomena fampanantenana hatrany kanefa hadisoam-panantenana hatrany no sandan'izany. Tamin'ny 2009, ohatra, dia tsy niala teo amin'ny kianjan'ny 13 may ny mpanabe, "vacation"-na fanadinana CEPE irery angamba no anisany fanomezana hany mba azon'ny mpampianatra tao anatin'ireo fangatahana marobe natao teo anivon'ny governemanta! Nitaona mpanabe ihany koa ny tolona nataon'ny "73 Députés", tsy nisy nisambotra ireo mpampianatra sy mpanabe nandray anjara tamin'izany! Ankehitriny tsy afa-po amin'ny tolotra ataon'ny fitondrana ny mpanabe! Nahoana no rahonana sy samborina izy ireo raha maneho hevitra? Manam-pahalalana sy mahay misafidy ny tokony hataony ny mpanabe ka avelao malalaka izy ireo haneho hevitra! Tsy hisy mpanabe ho vanona izany raha tsy migoka fahalalahana tanteraka izany. Any an-tsekoly hikolokolo sy hampita fahalalana amin'ireo zanaka sy tanora malagasy no toerana tokony hisy ny mpampianatra sy ny mpanabe fa tsy sanatria any am-ponja noho ny fitakiana ny tombontsoany na noho ny fijoroany amin'ny maha olompirenena feno sy manam-pahalalana azy. Ry mpiray tanindrazana, hajao sy arovy, ary ampio hery ny mpampianatra sy mpanabentsika, hoy hatrany ny tenany!
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT