Julien Andriamorasata

“Tsy hisy fampandrosoana handeha


  • Alarobia 27 Desambra 2023

raha mbola tsy voavaha ny olan’ny JIRAMA”

Tsy mijery loatra ny tena laharam-pahamehana na “priorité des priorités” ny fitondram-panjakana, hoy ny administratera sivily sady manam-pahaizana manokana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, Julien Andriamorasata. Inona loatra no tsy hamahan’ny fanjakana ny olan’ny jiro sy rano na ny herinaratra sy angovo eto Madagasikara, hoy izy? Miankina amin’io ny toekaren’ny firenena. Miankina amin’izay koa ny fiainana ara-tsosialy sy fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Tsy hisy fampandrosoana handeha raha mbola tsy voavaha ny olan’ny JIRAMA. Fototry ny fampandrosoana ny angovo. Na sehatra ifotony, izany hoe “secteur primaire” izay ahitana fambolena sy fiompiana, na ny “secteur secondaire”, izay any amin’ny resaka indostria, na ny “secteur tertiaire”, izay misandrahaka amina fitantanan-draharaha samihafa sy fitaterana dia samy tsy handeha daholo rehefa tsy misy angovo. Raha tena laharam-pahamehana amin’ny fitondrana io angovo io dia mahita vahaolana izy. Firenena manankarena i Madagasikara fa tena sahirana ny vahoaka ao aminy. firenena isan’ny 3 mahantra indrindra i Madagasikara izao. Tsy maintsy mila fanjakana tsara tantana aloha voalohany indrindra! Tsy maintsy manaja ny demokrasia! Mametraka ny fanjakana tan-dalàna. Kitro ifaharan’ny demokrasia sy fampandrosoana izany fifidianana izany. Tsy tokony hisy intsony izany fifidianana feno hosoka sy vokatra amboarina fotsiny hahatongavana eo amin’ny fitondrana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT