Actualités

Julien Andriamorasata “Fanampiana ny TAXI no ataon’ny kaominina”


  • Alakamisy 21 Septambra 2017

Tsy misy olona tsy tia fandrosoana sy fanatsarana ny fiainana izany fa mety tsy azon’ny mpitondra taxi tsara angamba ilay zavatra atao.

  Mbola hifampidinika tsara aloha izahay hampazava ny zava-drehetra momba ity resaka contre visite ataon’ny OMAVET ity, hoy Andriamatoa Julien Andriamorasata lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna araka ny resaka fohy nifanaovana taminy omaly.

Tia Tanindrazana (TT) : Fa inona no tena antony namindrana ny fanovana “contre visite” eny amin’ny OMAVET Ampasampito ?

Julien Andriamorasata (J.A) : Tiako aloha ny misarika ny sain’ny mpitondra taksi fa tery ny toerana nampiasaintsika teny Antsakaviro, tsy nisy ny fitaovana. Mbola nisy ilay fomba fiasa hafahafa “sans voir” ihany koa teny, izany hoe misy mitondra fotsiny ny taratasin’ny fiara dia vita ny “contre visite”. Io no mampiroborobo ny kolikoly sy ny taksi “clandestin” ary nahatezitra ireo manara-dalàna. Tsy azo ekena intsony izany ka izay no nikarohana hevitra sy fomba fiasa matotra kokoa.

TT : Manahy ireo mpitondra taksi fa sao dia tetika hitadiavam-bola fotsiny ity resaka OMAVET ity, nitombo ve tompoko ny vola aloa ?

J.A : Averiko eto ihany fa lainga izany vola mitombo izany. Tsy niova ny”Droit” fa tahaka ilay teo aloha ihany. Mbola atao maimaimpoana aza ny “diagnostic” ho an’ireo fiara te hahafantatra ny tsy metimety aminy. Raha atao any ivelany anefa io “diagnostic” io dia mandoa 50 000 Ar isaky ny fiara. Fanampiana azy ireo no tena karohanay ao amin’ny CUA fa tsy fanambakana sanatria.

TT : Resaka mandeha ihany koa ny hoe manana ketrika hampidirana fiara vaovao hanoloana ireo efa misy ny kaominina sy ny mpiara-miasa aminy. Ahoana indray ny momba izay ? Hosoloina fiara vaovao daholo ve ?

J.A : Tsia avy hatrany ny valiny. Famitahana sy fandrebirebena izany, fomba fiady politika efa fanao io ka aoka isika tsy ho taitaitra. Fifanampiana sy fanatsarana ny fomba fiasa no atao, fanafoanana ny kolikoly mba hahafahan’ny rehetra miasa am-pitoniana ao anatin’ny fanajana ny lalàna.

TT : Nilaza ry zareo mpamily taksi mivondrona ao amin’ny FTAR fa tsy hiresaka aminareo avy ao amin’ny kaominina mihitsy raha vao io OMAVET io no lahadinika. Handray fepetra ve ianareo ?

J.A : Mbola hifampidinika izahay amin’ny sabotsy fa tsy maintsy hifanazavana ny zavatra rehetra. Mety tsy azon’ny mpitondra taksi tsara  ilay izy sy ny tombontsoa ho azony amin’ity resaka OMAVET ity ka izay no mampiziriziry azy ireo hatreto aloha. Mino aho fa tsy misy olona tsy tia fandrosoana sy fiainana tsara kokoa izany fa ny fifanazavana kosa no mila atao matotra tsara. Vonona hifampiresaka sy handamina foana ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nanambara ary nanamafy Raharinina Clémence, filohan’ny FTAR fa tsy hihemotra amin’ny hetsika ataony izy ireo. Vao mainka hihamafy aza raha tsy mamaly ny fangatahan’izy ireo ny kaominina, dia ny tsy hanomezana ny « contre visite » ny OMAVET. Tsy misy ambadika politika ny hetsika fa fitakiana tsotra mba tsy hamonoana ny mpitatitra amin’ny fandoavana volabe mihoa-pampana etsy sy eroa, hoy hatrany izy.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT