Julia Nomenjanahary, vadin’i Bolida

Nitondra fanovana goavana teo amin’ny fiara any Eoropa


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Nitondra fanovana goavana teo amin’ny fiara any Eoropa i Julia Nomenjanahary, vadin’i Lalaina Nomenjanahary

na Bolida, izay mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha na Barea, hoy ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Raha toa ka i Etazonia sy Azia no mànana fiara 100% mandeha tsy voizina na «automatique» dia miroso tsikelikely mankany koa ankehitriny i Eoropa noho ny fahaizana sy finiavan’i Julia, hoy ny fanazavana. Araka ny nambarany dia tsy mpanamboatra fiara akory izy fa manampy ny mpamily hanana fahafahana na «liberté» tsikelikely eo amin’izany familiana fiara izany. Porofon’izany ny tsy voatery hametrahan’ny mpamily ny tanana eo amin’ny familiana na «volant» sy ny tongotra eo amin’ny isatra na «frein», «embrayage» sy «accélérateur» na fivoy. Isany natao andrana tamin’izany ny fiara Renault Cenic 2024. Raha jerena dia misy «radar» na fitsikilovana eo ambonin’ny mpamily izay manome toromarika azy raha toa ka elabe izy vao mametraka ny tanana eo amin’ny familiana foana satria tsy tena mbola 100% «automatique» ilay fiara. Misy «radars» anankiroa ny amin’ny sisin’ny fiara andaniny sy ankilany, izay manara-maso ny couloir izay misy ilay fiara. Ary misy « capteurs » efatra aloha sy aoriana manara-maso ny fiara izay eo aloha sy any aoriana, raha ny fanazavana hatrany. Natao hanampy bebe kokoa ny mpamily araka izany ity teknolojia vaovao nentin’i Julia Nomenjanahary ity fa tsy sanatria akory natao hahavariana ny mpamily ka ny asa manaraka, hoy i Julia, dia ny hametraka «radars» ihany koa, izay hanara-maso ny mpamily sy hanaitra azy ireo amin’ny karazana fialam-boly na «distractions» izay mety hitera-doza mandritra ny familiana fiara.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

Hijery ny tohiny
FTT