Jono tsy ara-dalàna

Sambo Srilankais 3 no efa tratra


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Sambo srilankais telo no tratra nanjono tany tamin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara,

raha ny tatitry ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga ny faran’ny herinandro teo. Tsy vao sambany fa fanintelony izao no nahatratrarana sambo Srilankais, manjono tsy ara-dalàna, aty amin'ny Fari-dranomasin'i Madagasikara, izay miisa 3 izy ireo, raha ny fanamarihana. Marihina anefa fa 4 500km miala an'i Madagasikara no misy an’i Sri-Lanka. Manodidina ny 15m eo ireo sambo ampiasan'izy ireo, izany hoe: tsy natokana hanao haute mer, araka ny fanazavana netin’ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Avy any Sri Lanka izy ireo no nankao amin’ny Faritra Melaky ny roa, ny iray kosa tany amin'ny Faritra DIANA, tao avaratra andrefan’i Nosy-Be, raha ny marimarina tokoa. Efa voatazona ao amin'ny seranatsambon’i Nosy-Be ny volana oktobra ny iray taloha. Ireo sambo roa tratra ny faran’ny volana martsa kosa, dia voatazona eto amin'ny seranatsambon’i Mahajanga. Ireo tantsambo kosa, raha ho an'i Nosy-Be, dia efa nody, ny ao Mahajanga kosa dia voatazona am-ponja. Marihina fa tsy nahazo alalana hanjono eto ireo sambo ireo. I Madagasikara rahateo tsy manana fifanaraham-pirahamiasa momba ny jono miaraka amin’i Srilanka, hoy ny tatitra. Nahitana fitaovam-panjonoana sy vokatry ny jono maro ireto sambo ireto, ka izao tra-tehaky ny CSP amin’ny alalan’ny Atsantsa izao, hoy hatrany ny tatitra. Andrasana ny tohiny!
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT