Tanjona ao anatin’ny tetikasa Mionjo eo anivon’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena
manga ny hanampiana ny faritra atsimo hiharenan’iny faritra iny amin’izay fihariana an-dranomasina izay, araka ny fanazavàna voaray mikasika ity tetikasa ity omaly. Hampitomboina, hoy ny fanazavàna, ny fitaovan’ireo mpanjono hananany vokatra ahazoany misakafo, mivarotra, mampitombo ny volan’ny isan-tokantrano. Hitombo, noho izany, ny vokatry ny jono sy ny vola miditra amin’ireo mpanjono. Hisy ny fampiofanana ireo mpanjono. Omena aronakanjo na «Gilet» ireo mpanjono. Hampiana ihany koa izy ireo amin’ny lafiny fijerena ny toetr’andro eny ifotony ahafantarany ny fotoana tokony hidinany hiandriaka na tsia. Efa ao anatin’ny fampiofanana ny fikoloana ireo toeram-panjonoana mba tsy ho ritra ny vokatra ao aminy. Misy mihitsy ny karazana drafitra itantanana ny ranomasina. Tanjona ny ivoaran’ny faritra atsimo na amin’ny lafiny ara-bola io na amin’izay resaka fihariana an-dranomasina izay. Marefo indrindra ny faritra atsimo ary izay no antony nifanarahan’ny fanjakàna malagasy sy ireo mpamatsy vola hoe aleo any no vatsiana. Isika izao mbola afaka miteny hoe misotro rano noho ireo havantsika any. Izay moa no dikan’ilay hoe mionjo na mampiakatra, hoy hatrany ny fanazavàn’ny tomponandraikitra eo anivon’ity tetikasa ity.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.