Jono orita any SAVA

Tafakatra 55,5 taonina tao anatin’ny herinandro


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Niverina nisokatra nanomboka ny 1 aogositra lasa teo ny fanjonoana orita na « poulpes »

any amin’ny Faritra SAVA, taorian’ny fikatonany nandritra ny roa volana. Taorian’ny fisokafany, tsara ny vokatra ho an’ny mpanjono satria tafakatra 55,5 taonina ny vokatra azo hatreto tao anatin’ny herinandro latsaka, raha ny tatitra ofisialy. Manodidina ny 10 000 ka hatramin'ny 15 000 taonina ny vokatra orita eto Madagasikara isan-taona, raha ny fikarohana tsotsotra natao. Ny habetsaky ny orita azo dia mety hiova arakaraka ny faritra eto amin’ny Nosy. Ny faritra amoron-dranomasina toa an’i Toliara, Morondava, ary ireo morontsiraka manaraka ny tandavan’ny ranomasina andrefana sy avaratra no tena ahitana ity hazandrano ity. Manodidina ny 20 000Ar hatramin’ny 50 000Ar ny kilaon’ny orita, ary mety ho tafakatra hatrany amin’ny 100 000Ar mahery aza. Ampahany ihany amin’ny harena an-dranomasintsika io, fa tena isan’ny loharanon-karena lehibe ho an’i Madagasikara ny ranomasina noho ny fananantsika morontsiraka hatrany amin’ny 5000km, raha tena mahomby ny fitantanana sy ny famadihana azy ho fanoitra ara-toekarena. Efa noresahana sy notaterina fa manodidina ny 500 miliara dolara isan-taona ny tsenan’ny hazan-dranomasina eran-tany isan-taona, ka raha ny 5% amin’io fotsiny azontsika dia efa 5 miliara dolara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT