Actualités

JMJ DIOSEZY AMBOSITRA Tanora katolika 2 000 no miatrika izany ao Fandriana


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Nanomboka omaly alarobia 27 aogositra tao Fandriana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora (JMJ) eo anivon’ny diosezin’Ambositra. Teny fanevan’ity JMJ Diosezy Ambositra andiany faharoa ity ny “Andao handeha am-pitiavana tahaka an’i Kristy ka mandehana ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra

Fotoana hivavahana sy hifanakalozana ara-pinoana ary fitaizana ny tanora ho olom-banona araka ny hafatry ny Papa Ray masina ny atao amin’ny JMJ. Hisy ny katesizy, fanentanana maro, dia mivavaka na pelerinazy mankany Milamaina ary fampisehoana iarahana amin’ny mpanakanto Vetson’i Fianara amin’ny alahady ho avy izao. Tsy hifarana ity JMJ ity raha tsy amin’ny alatsinainy 01 septambra izao. Tanora katolika 2 000 eo ho eo no miatrika izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT