JIRO TSY TAPA-DAVA INTSONY

Faly amin'ny ezaky ny mpitondra ny olom-pirenena


  • Alakamisy 15 Janoary 2026

Efa misy mivaingana sahady

ny ezaka vitan'ny Fitondram-panjakana ankehitriny mipaka amin'ny fiainam-bahoaka eny ifotony na dia vao amam-bolana aza no nandraisan'izy ireo ny fitantanana. Anisan'ny tena mahafaty ny olom-pirenena ny jiro tsy tapa-dava intsony, antony nisian'ny hetsi-bahoaka mafibe ka nampirodana ny Fitondrana jadona téo aloha. Ho an-dRtoa Rinah, Renim-pianakaviana mpaka entana vao maraina eny Anosibe dia nambarany fa izao vao tena miaina izy ireo raha tebiteby sy horohoro foana no niaina teo aloha. Vao mivoaka ny trano mantsy hoy izy dia haizina no mitsena sy mameno ny tanana tamin'ny andron'ny Filoha Rajoelina ka mampahazo vahana ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery. Izahay mpaka entana maraina no tena nitondra faisana tamin'ireny hoy izy ary tsy vitsy ireo very vola sy namoy ny ainy raha tsy lazaina intsony ny tsy fahafahana mamahana finday sy ny fividianana labozia isan'andro, izay fandaniana vaovao mihitsy. Ankehitriny voavaha tanteraka ny olana raha ny nambarany koa hisaorany ny Fitondram-panjakana tarihin'ny kolonely Randrianirina Mickaël manokana. Mankahery ny mpitondra mba hanao ny tsaratsara kokoa hatrany ny tenany ho fitsinjovana ny vahoaka, indrindra fa ireo mandinika. Nomarihiny moa fa na dia mbola misy ihany aza ny jiro tapaka eny anelanelany eny dia tsy toy ny teo aloha intsony kosa izany fa efa tena misy fiovanabe mihitsy.
Pati
Légende : Rtoa Rinah anisan'ny tena mankasitraka ny ezaky ny mpitondra ankehitriny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT