Tsy nijanona afak’omaly ihany fa mbola nitohy hatramin’ny omaly Talata ny fahatapahan’ny jiro sy rano nanerana
an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Raha araka ny fanazavana nentin’ny JIRAMA dia vokatry ny fikorontanana ny famatsiana herinaratra amin'ny ankapobeny eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo no mahatonga izany ka anisan’ireny ny filatsahan'ny 𝙡𝙞𝙜𝙣𝙚 𝗟13 mampitohy an'Antsirabe, izay nitarika fihatoan' ny vata mpanova herinaratra (𝙏𝙧𝙖𝙣𝙨𝙛𝙤𝙧𝙢𝙖𝙩𝙚𝙪𝙧) 𝗧𝗥7 sy 𝗧𝗥8 ao amin'ny foibe fihaonan'ny Tambazotra iraisana (𝙋𝙤𝙨𝙩𝙚 𝙙'𝙄𝙩𝙚𝙧𝙘𝙤𝙣𝙣𝙚𝙭𝙞𝙤𝙣) ao Ambohimanambola. Nilaza izy ireo fa efa am-perinasa manarina ny fahavoazana ireo teknisiana hatramin’ny omaly hariva, ka rehefa vita izany dia hiverina amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsiahivina moa fa ankoatra ny asa fivelomana miankina amin’ny herinaratra izay mihitsoka tanteraka dia betsaka amin’ireo fiainana andavanandro no voahelingelina tanteraka vokatr’ity fahatapahan’ny jiro sy rano lava ity. Ho an’iny faritra Itaosy iny ohatra dia misy efa ho roa andro izao no tapaka ny rano, raha mitohy hatrany ny fahatapahan-jiro tsy an-kiato.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.