JIRO SY RANO ENY ITAOSY

Samy tapa-dava, manambana higrevy ny mponina


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Mafy ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapan-drano teny amin’iny faritr’Itaosy Atsimondrano iny nanomboka ny

herinandro teo. Mbola nitohy hatramin’ny faran’ny herinandro teo izany, antony tena manorisory ny mponina. Tsy mba misy fiainana hiarahana amin’ny fianakaviana toy ny mahazatra intsony mantsy fa ny fahasahiranana ateraky ny jiro sy ny rano tapaka no betsaka. Tamin’ny Sabotsy sy Alahady teo ohatra dia amin’ny 02 ora sy 45 minitra maraina dia efa milaha-drano eny amin’ny paompy ny olona mba hanaovana faran’ny herinandro. Mitsitaitaika toy ny tariby mitondra herinaratra mantsy no mba fandehan’izany raha vantany vao manomboka amin’ny 06 ora maraina ary tsy misy intsony indray raha tsy amin’ny 03 ora hariva any ho any indray. Mahatsiaro leo ny isan-tokantrano vokatr’izany. Saika voakasik’ity fahatapahan-jiro sy rano ity avokoa moa ny mponin’Itaosy iray manontolo manomboka eny Ambonisoa, mandalo dalle sy Andranonahoatra, Vinany, mipaka hatrany Ambohidrapeto. Ny faktioran’ny JIRAMA anefa eo an-daniny tsy mitsaha-midangana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny filaharan-drano teny Itaosy teny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT