JIRAMA tsy mety milamina

Very an-javony, voasotasota ny volam-bahoaka


  • Alatsinainy 16 Jona 2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

ny angovo na minisiteran’ny angovo moa, hoy ny fanazavàn’ny talen’ny kabinetran’ity minisitera ity izay, fa miahy azy. Fa inona moa izany no dikan’izany hoe «miahy»? Tsy izany mihitsy aza ve no tokony hiditra voalohany na tomponandraikitra voalohany ao anatin’ilay raharaha? Tsy isan’ny angovo ve moa ny herinaratra sahanin’izany JIRAMA izany? Hatreto, iarahan’ny rehetra mahalala ny afitsok’izany atao hoe delestazy na fahatapahan’ny herinaratra lavareny izany ary vao mainka aza miha mafy noho ny teo aloha saingy io iaraha-mahita io fa ialàna bala sy tsy vahana ilay izy hatreto moa. Ny olan’ny JIRAMA ialàna bala sy tsy vahana, ny volam-bahoaka nefa etsy an-kilany, tonga amin’ilay fomba fiteny hoe very eny am-baravarankely. 710.000 Dolara na 3.195.000.000 Ariary eo izany no karaman’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA, Ron Weiss, raha ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana izay haharitra 4 taona. Karamaina 798.750.000 Ariary isan-taona izy no dikan’izany, 66.562.500 Ariary isam-bolana, 2.218.750 Ariary isan’andro. Inona nefa izany no vahaolana nivaingana efa nentin’ilay tale jeneraly israelina hatreto? Ny JIRAMA tsy mety milamina. Very an-javony, voasotasota ny volam-bahoaka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT