Actualités

JIRAMA Toamasina Tratra ireo 5 lahy nangalatra


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Dimy lahy no tra-tehaka nangalatra vy tao an-tokontanin'ny JIRAMA, Verrerie ao Toamasina, omaly maraina.

Olona tsara sitrapo no nampandre ny zandary any an-toerana fa misy halatra fitaovana maromaro ao amin'ny orinasa JIRAMA. Nandeha ny fidinana ifotony nandritra izany ka baravy miisa 18 no tratra teny amin'ireo olon-dratsy.Tazonina eny amin'ny tobin'ny Zandarimaria ao Toamasina moa izy dimy lahy ireto hatao fanadihadiana lalina. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Tsiahivina moa fa anisan’ny miteraka fatiantoka eo anivon’ity orinasa iray ity ny fisian’ny karazana halatra tahaka izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT