Actualités

JIRAMA sy ny oniversiten’Antananarivo Hiara-kiasa hanara-maso ny fanjifana tsy ara-dalàna


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Hiara-kiasa manomboka izao ny orinasa JIRAMA sy ny oniversité-n’Antananarivo.

 

 


 Nanatanteraka sonia fifanaraham-piaraha-miasa izy ireo omaly nahitana ny Tale Jeneraly Vonjy Andriamanga sy Profesora Mamy Ravelomanana, filohan’ny oniversiten’Antananarivo. Fitsirihana sy fanadiovana ireo fampiasan-jiro sy rano tsy ara-dalàna, indrindra eny amin’ny faritry ny fianarana sy ny fonenan’ny mpianatra no tena hiompanan’ny fifanaraham-piaraha-miasa. Mifanaiky ny roa tonta fa hiara-hisalahy amin’ny fanatrarana ny tanjona ka isan’ny paikady iraisana ny fampahafantarana sy ny fiseraserana amin’ny mponina voakasika sy ireo manodidina ny anjery manontolo, mahakasika ny asa hotanterahina ho fisorohana ihany koa ny fampiasan-jiro sy rano tsy ara-dalàna. Samy manana ny andraikitra sahaniny ny roa tonta ao anatin’izao fifanaraham-piaraha-miasa izao. Ho an’ny Oniversiten’Antananarivo dia ny fanefàna izay tokony hefainy amin’ny JIRAMA, ny fanamoràna ny fidiran’ny mpiasan’ny JIRAMA hanatanteraka ny asa voafaritry ny fifanarahana ao anatin’ny anjery manontolo, ny fitantanana ny rano sy ny siniben-drano apetraky ny JIRAMA eny an-toerana ary ny fiantohana ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny fikojakojana ny foto-drafitrasan’ny JIRAMA. Etsy ankilany kosa, ny JIRAMA, dia hiantoka ny lafiny teknika hanatanterahina ny fitsirihana, amin’ny alalan’ny fitaovana manara-penitra sy ny mpiasa matihanina amin’ny fikirakirana izany fitaovana izany, hametraka kaonteran-jiro sy rano misaraka isaky ny faritry ny anjery manontolo, hametraka siniben-drano hahafahana mamaly ny filàn’ny mponina eny an-toerana ary hanamora ny fanefan’ny oniversite ny trosany. Haharitra 3 taona ity fiaraha-miasa ity.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT