Actualités

Jirama Mihodina ao anatin’ny fatiantoka


  • Talata 16 Septambra 2014

Tsy mba voakasiky ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy ny Jiro sy Rano Malagasy, araka ny adihevitra hita tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray.

Voalazan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ity orinasam-panjakana ity fa efa mihodina ao anatin’ny fatiantoka ny Jirama ankehitriny. Ohatra iray goavana noresahany ny vidin-tsolika izay manatombo 400 ariary isaky ny litatra mihoatra amin’ny sandany varotana eny amin’ny tobin-tsolika mpaninjara. Mbola fanampim-panazavana noresahany ihany koa ny tsy maintsy andoavana ireo fandaniana mivoaka amin’ny vola vahiny raha sandaina amin’ny ariary Malagasy kosa ny vola miditra. Nanazava ny antony hanovana ny sata mifehy ny Jirama kosa ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny Angovo. Fanapahan-kevitra roa mifanipaka navoakan’ny mpitondra fanjakana tamin’ny taona 1975 sy 1998 no ilaina haravina mba ahatonga ny orinasa hirona bebe kokoa any amin’ny lafiny ara-barotra araka ny didim-panjakana noraisina 16 taona lasa izay. Fepetra horaisin’ny Jirama manomboka amin’ity volana septambra ity ny handoko manokana ny solika fampiasan’ny orinasa manoloana ny fitantanana gaboraraka anatiny. Fampatsiahivana ihany koa no nataon’ny solontenan’ny mpiasa fa nanomboka tamin’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny taona 2005 dia voafetra ny tombontsoa azon’ny mpiasan’ny Jirama.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT