Raha toa ka mbola tsy hita popoka mandrak’ity ny androany ny Tale Jeneraly mpisolo toeran’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina,
dia voatendry ho Minisitra ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) Atoa Solo Andriamanampisoa. Hahavaha ny olan’ny angovo sy herinaratra ve raha tarafina tamin’ny hoe: fony tao amin’ny Jirama aza kofona, mainka fa hivelatra be ny andraikitra? Etsy ankilany, na misy aza ny mpitantana vonjimaikan’ny Jirama, dia naman’ny miahaka sy toa taraiky hatrany ity orinasa tena stratejika iankinan’ny fiainam-bahoaka sy ny famokarana ara-toekarena ity. Raha hiverenana, ny fiandohan’ity volana ity, nomena hatramin'ny 31 martsa 2023 ilay Tale Jeneraly vonjimaika Rivo Radanielina hiverenany hiasa. Tsy fahasalamana noho ny aretina Covid-19 no nambara tamin’ny desambra 2022 fa tsy nahitana an'i Rivo Radanielina, Tale Jeneraly vonjimaika ny Jirama, ary ny 9 desambra 2022 no hoe hiverina hiasa izy, raha ny nolazain’ny Minisitra teo aloha Andry Ramaroson. Avy eo dia hoe: tao anaty lisitry ny mpandeha an’ny sidin’ny kaompania vahiny iray ny 14 desambra, saingy tsy tonga. Nalaza fa niondrana an-tsambokely niaraka tamin’ny entan-keliny,… Mandrak’ity ny androany tsy hita intsony. Nisy raharaham-pitsarana nandeha teny anivon'ny Pôle anticorruption na PAC 67ha, izay nahavoarohirohy mpitantana sy mpiasa maro teo anivon’ny Jirama. Nisy nidoboka am-ponja, olona telo namoahana didy fampisamborana, ka anisany ity Tale Jeneraly mpisolo toerana ity. Tsy misy fanazavana sy tohiny intsony, fa dia hodiana adala tanteraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.