JIRAMA lazaina tsy homena ny tsy miankina

Milaza indray Rajoelina fa ho marin-toerana afaka 3 taona…


  • Zoma 18 Jolay 2025

Nandray sy nihaona, nihaino sy nifampiresaka tamin’ireo sendikan’ny

mpiasan’ny Jirama ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly. Fihaonana manokana nilazana fa nanazavana ny sain’ny mpiasa, niresahana ny lazaina fa paikadim-panarenana sy sata vaovao. Nolazain’i Andry Rajoelina fa iarahana mahita fa latsaka anaty lavaka : fahanteran’ny fitaovana, fanofana milina mihompampana, vidin’ny solika lafo loatra, fanodinkodinana solika,… 80 hatramin’ny 100 miliara Ar isam-bolana ny CA (Chiffre d’Affaire) an’ny Jirama raha any amin’ny 180 miliara Ar ny fandaniana, raha ny filazan’ingahy Filoha. Nezahina nalamina ny sain’ireo mpitarika sendika, ka nilazana fa tsy hisy mihitsy ny fanomezana ny fitantanana ny Jirama any amin’ny tsy miankina. Tsy tokony hametrahan’ny olona zavatra tsy eritrererina anefa lazaina, hoy i Andry Rajoelina. « 100% an’ny Fanjakana, tsy misy eritreritra hampiditra « actionnaires » vaovao ao anatin’ny Jirama. Ao anatin’ny sata, raha misy ahiahy, raha misy zavatra tena hita ka harovanareo, dia vonona ny Fanjakana hihaino, raha misy zavatra hovaina », hoy hatrany ny Filoha ankehitriny. Nanizingizina i Andry Rajoelina, fa raha mbola izy no mitantana ny Firenena, dia tsy hisy fitantanana homena ny tsy miankina. Lazaina fa izany no mampikofokofoka hampisa angovo azo havaozina. Nampanantena indray i Andry Rajoelina fa ao anatin’ny 3 taona izany hoe : hatramin’ny 2028 dia tsy ho maty antoka intsony ny Jirama, ary ho marin-toerana ny tontolon’ny angovo. Inona moa ny fampanantenana poakaty tsy natao teto momba ny Jirama : 400MW anatin’ny 5 taona, 6 ka hatramin’ny 8 volana, tsy hivoaka ato aho raha tsy milamina,… Ny zava-misy aloha dia anarany sisa ny hoe : orinasam-panjakana, fa ny tsy miankina no tena mifehy ny Jirama amin’ny lafiny maro, tsy mahaleo tena ara-pamokarana ny Jirama fa zary mpitsinjara sy mpanao « dépannage » sisa amin’ny ankampobeny,… Na izany aza, tsapa ny tsy dia fisian’ny delestazy tato ato rehefa nandeha ny karazana fifanaovan-tsonia teo amin’ny Fanjakana sy ny orinasa tsy miankina momba ny resaka trosa. Midika izany fa azo atao ihany ny mandefa ny herinaratra raha nomena tsiny ny rano, ny masoandro,… teo aloha. Haharitra ve anefa sa sanatria ho vonjy tavanandro ihany satria handray fivoriana iraisam-pirenena atsy ho atsy ? Tena ny sata tokoa ve no olana sa ny politika momba ny angovo poakaty ? Moa tsy porofon’ny tsy fahaiza-mitantana ve ny fahapotehan’ny Air Madagascar, Jirama,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT