Mitohy ny asa fanoloana fantson-drano tranainy sy manary rano iarahan'ny JIRAMA sy ny orinasa TRG International avy atsy Afrika Atsimo manatanteraka.
Fantson-drano mirefy 90 km no kendren'ny tetikasa hotanterahina ka 10 km no voakasik'izao dingana voalohany izao.Nanombohana izany teny Ilanivato, Androndrakely ary ny farany teo teny Soavimasoandro. Miteraka fikorontanan'ny famatsian-drano amin'ny toerana hanatanterahina azy izany asa izany.Ny JIRAMA dia maneho etoana ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana ateraky ny asa hiantsorohany araka izany. Marihina moa amin’ny 19 septambra any ho any vao nifarana ny asa raha efa nanomboka ny 20 Aogositra lasa teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.