anio sy rahampitso
Hiroso amin'ny fandatsahana orana artifisialy anio Alakamisy 01 Oktobra ny JIRAMA. Ho fanampiana ny rano amin'ireo toerana mpamokatra herinaratra lehibe toa an'Andekaleka no anton'izany. Miteraka fahatapahan-jiro matetika mantsy ny tsy fahampian-drano amin'ireny toerana lehibe ireny raha tsiahivina. Ankoatra izay dia hanomboka amin’ny 5 ora hariva ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo anio. Mbola vokatry ny tsy fahampian’ny famatsiana herinaratra izay latsaky ny 18 MW hatrany no mahatonga izany. Hanaovana fanandramana amin'ny orana artifisialy araka izany ny ao any Andekaleka anio Alakamisy sy rahampitso Zoma 02 Oktobra. Voalaza fa mety amin'izany mantsy ny fepetra ara-toetr’andro any an-toerana. Mila miomana amin'ny fitafiana mifanaraka amin'izany noho izany ny mponina. Ankoatra ny aretin'ny taovam-pisefoana izay mahazo vahana amin'izao mantsy dia mety hivadika ho tazo izany raha sanatria ka tratran'ny orana ny tsy salama iray.
Pati
Légende : Hisy orana artifisialy hilatsaka androany!
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.