Jirama

Hampitomboina ny vola miditra, hamafisina ny angovo azo havaozina…


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Fampitomboana ny vola miditra, fitadiavana fomba hahafana manampy ny

sehatra tsy miankina, ny fampidirana ny volan’ny jirama any amin'ny orinasa hafa amin'ny kitapom-bolany, ny fanefan'ny orinasa ny trosa hananan'ny mpamatsy solika sy angovo aminy, ny ady amin'ny kolikoly ary ny fampienana ny fandaniana,… ireo no isan’ny nambara fa fanamby apetraky ny Jirama tarihin’ny Tale Jeneraly Ron Weiss. Notsorina anefa, fa tsy vitan'ny Jirama irerty fa misy fiaraha-miasa amin'ny Fanjakana sy ny mpamatsy vola. Nisy ny vina sy drafitra natolotra ny Fanjakana ary ao anatin'ny fifampiresahana amin'ny fanjakana hahazoana ny fahazoan-dalana hafahana manatanteraka izany ny orinasa. Ara-pitantanana, misy rafitra vaovao nametrahana mpitantana vaovao. Nametrahana mpandrindra ny resaka famatsiana rano, ary tahaka izany ihany koa ny fitsinjarana ny jiro. Ara-teknika, drafitra apetraka ny fomba hahafahana manena ny fahatapahan-jiro sy famatsiana Rano. Amin'ny ankapobeny, fampiasana angovo azo havaozina no himasoana. Misy faritra efa tsy mampiasa gazoaly intsony amin'izao toy ny ao Toliary, raha ny fanazavana. Misy ny tetikasa toy ny "projet solaire 50Mw",... Nambara fa hanamboatra toby fikirakirana rano vaovao, ary hatsaraina ny ny fitsinjarana ny rano. Asa vita tao anatin'ny roa volana sy fiaraha-miasa amin'ny Banky Iraisam-pirenena ny : namerenana ny famatsiana jiro sy Rano ho an'ny mpanjifa maro, izay maro ny "compteur" voasolo, famerenana ny famatsiana herinatra ho an'ny mpanjifa nanana olana tamin'ny resaka tariby. Nambara fa hifantoka amin'ny fanaovana "branchement" vaovao ny orinasa, izay midika fa ny hidiran’ny vola no tanjona. 10 tapitrisa Euro eo, raha ny tatitry ny Jirama ny fanampiana avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena momba ny rano, ary iaraha-miasa amin'ny mpamatsy vola ihany koa ny fanamborana tobim-pamokarana vaovao nambara etsy ambony. Betsaka izay resaka efa natao izay, fa mba vokatra amin’izay no andrasan’ny vahoaka !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT