Nazava ny fanambarana nataon’ny ministry ny angovo, Fienena Richard omaly tamin’ny fanokafana ny atrikasa nandinihana sy namoahana ny laharam-pahamehana amin’ny hanarenana ny sehatry herinaratra eto amintsika teny amin’ny Jirama Ambohimanambola, fa tsy handroso i Madagasikara raha tsy milamina ity sehatra iray ity.
Tena misedra olana ara-bola goavana ankehitriny ny orinasa Jirama, hoy izy, noho ny tsy fananantsika ny lalàna ara-barotra tena izy. Tena lafo loatra ny vidin-jiro eto Madagasikara. 12%n’ny mponina fotsiny koa no mba mahazo herinatra ara-dalàna eto Madagasikara ihany raha 53,2 % any Sénégal ary 75,2 % any Afrika Atsimo. Be loatra ny trosan’ny Jirama tsy aloan’ny fanjakana, mitentina 100 miliara Ariary tamin’ny faran’ny taona 2013. Nambaran’ny minisitra fa tsy maintsy hitodika amin’ny fanovan-drafitra ny Jirama ary koa ny fanovana azy ho lasa orinasa ara-barotra. Fa ny akaiky indrindra izao, hoy ny ministra Fienena Richard, dia ny fanitsiana ny fitantanam-bola ao amin’ity Jirama ity, ny fanafoanana ny delestazy, fanohizana haingana ny asa fanarenena an’ireo foibe famokarana herinaratra ao Ambohimanambola 2, Mandroseza, Antsirabe, Toamasina 4, Mahajanga 1 ary Antsiranana. Marihina fa anisan’ny nahatonga solontena teny Ambohimanambola omaly ny Banky Iraisam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.