Actualités

Jiolahy roa nandroba ny volan’ny Kaominina Mandeha ny volabe hamotsorana azy ireo ?


  • Zoma 05 Septambra 2014

Misy sahady ankehitriny andian’olona mikononkonona ny ho famotsorana am-ponja ireo jiolahy roa amin’ny efatra miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy izay tena atidoha tamin’ny fanafihana ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina mitentina 53 tapitrisa Ariary ny 14 aogositra teo, ary voarakitra an-tsary mihitsy nandritra ny fandosiran’izy ireo niaraka tamin’ny sakosy nisy ny vola

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

Fihaonana teo amina mpitsara sy mpandraharaha vitsivitsy tao an-tranon’olona iray nandinika mikasika ity tsy fifehezana ny filaminana ao Toamasina ity, no naharenesana ity fikononkononana ratsy ity. Voalazan’io fihaonana io, araka ny angom-baovao natao, dia “mpitsara roa ka ny iray eo anivon'ny fitsarana ambony, ny faharoa mpitsara mpanao famotorana ny fitsarana ambaratonga voalohany mikononkonona izany”. “Ny alakamisy 28 aogositra teo no namoaka feo ilay voalohany fa tokony havoaka ny fonja izy roa lahy. Ny zoma 29 aogositra anefa tsy tao amin'ny birao tokony hisy azy intsony ny antontan-taratasin’ady mikasika ireto jiolahy ireto. Raha tsy misy ny fijerena io mpitsara io satria tsy sambany izao fisamborana sy fidirana am-ponja ary famotsorana azy ireo, dia tsy handry fahalemana mihintsy i Toamasina”, hoy ireto mpivory nandinika ny raharaha. Ny angom-baovao anefa no mbola nahalalana araka ny nambaran’ireo mpitsara sy mpandraharaha nivory ireto, fa mbola misy olona tsy latsaky ny 4 no mbola karohina mikasika ity raharaha ity, ka ny 2 dia tena nanao ny asan-jiolahy, ny 2 hafa kosa mpiray tsikombakomba. Nomarihan’ireto mpitsara sy mpandraharaha nivory ireto, fa mandringa ny famotorana momba ity raharaha kaominina ity, satria nahoana no tsy nanaovana “requisition” ny findain’ireto jiolahy tratra ireto nefa mety ahitana ny olona karohana sy ny marina tao anatiny ? Manginy fotsiny, hoy izy ireo ny fampandosirana “ilay mpanam-bola”. Ankoatra izany, dia tsy anisan’ny natolotra ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana tahaka ireo namany izy. Tsy nampanarahana koa ilay sary mirakitra ilay fandosiran’ireo jiolahy avy nahazo ny vola niaraka tamin’ny antontan-taratasin’ady raha tsy efa nangataka ny hampidirana izany ny fampanoavana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT