Ela nanaovana fangalam-piery tamin’ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy nandravarava tao Toamasina, saingy tratra ihany.
. Enin-dahy no voasambotra ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fanomezam-baovao nataon’olon-tsotra. Teo ampisotroana izy ireo no tra-tehaka. Isan’ireo tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana nitranga tato ho ato tao Toamasina izy ireo, to any Orange Tanambao V sy ny Telma M-Vola Ankirihiry farany teo ny dimy. Voarohiroy ho mpiaradia amin’izy ireo kosa ny mpivarotra iray tao amin’ilay trano fisotroana. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana. Hatolotra ny fampanoavana anio izy enin-dahy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.