Actualités

Jiolahy nampihorohoro an’Atsimondrano Hiakatra fitsarana anio


  • Talata 02 Septambra 2014

Hiadiana amin’ny asan-jiolahy izay mateti-pitranga tamin’iny Faritra Atsimondrano iny, toy ny teny Itaosy sy ny manodidina izay saika nahenoana fanafihana mitam-piadiana isan’andro dia natao ny vela-pandrika rehetra sy fitadiavam-baovao mahakasika ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana

Natao ny fisamborana ireo olona tratra mivezivezy amin’ny alina, ka tsy ahitana taratasy  mazava tsara sy ireo olona mampiahiahy. Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina dia 10 lahy no voasambotra teny Avaratetezana ny 28 Aogositra 2014. Nandritra ny fihazonana azy ireo no nitsoaka ny iray. Nampitandrina tamin’ny alalan’ny tifi-danitra ny polisy nefa mbola nitsoaka hatrany izy. Nandray fanapahan-kevitra ireto farany ka voa izy ary maty. Nandritra ny famotorana ireto ambiny no niverimberenan’ny anaran’olona maromaro toa an-dRambeloson Sedramianta Mampionina izay voasambotra teny Avaratetezana ny 29.08.14, Rakotondramanana Emmanuel sy Rakotomanana Jean Fidèle voasambotra teny Ambohimangidy ny sabotsy 30.08.14. Niaiky avokoa izy telo voalaza ireo fa anisan’ny nandray anjara tamin’ireo fanafihana misesisesy izay niseho tamin’iny faritra iny tato ho ato. Nambarany koa fa mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny kalachnikov sy P.A izy ireo ary mbola any amin’ireo namany izay tafaporitsaka. Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy satria mbola maro ireo naman’izy ireo tadiavina. Hatolotra ny fitsarana anio ireto andian-jiolahy voasambotra teny Atsimondrano ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT