Nihorohoro ny mponin’i Mahajanga omaly alahady tokony ho tamin’ny iray ora antoandro teo
Notafihin’ny jiolahy efa-dahy ny tranombarotra Central Shop manoloana ny Lapan’ny tanàna. Nitondra fiara ireo jiolahy ary nanambana basy avy hatrany ny mpiambina. Namaly anefa ireo mpiambina roa ilay tranombarotra ka voatifitra in-droa teo amin’ny kibony ny iray tamin’izy ireo. Nanavotr’aina nitsoaka kosa ilay teratany karana tompon’ny tranombarotra raha nandre ny feom-basy nipoaka kinanjo efa tafiditra tao anatiny ireo mpanafika ka raikitra tao indray ny sakoroka narahina tifitra in-telo saingy tsy nahavoa ilay karana. Nitsoaka nandositra ireo jiolahy ireo raha niantso vonjy ireo niharam-boina. Nisy nahatsikaritra ny zava-niseho tao amin’io tranombarotra io ka dia nisy nanaraka tamin’ny moto ireo jiolahy nitsoaka tamin’ilay fiara. Najanon’ireo jiolahy tao Mangarivotra ilay fiara ka hita tao avokoa ny fitaovana rehetra nentin’izy ireo nanafika toy ny basy, “baomba” ary bala miisa enina. Nilaza ny mponina tao amin’io fokontany io fa nanapoaka «baomba” ireo jiolahy ireo rehefa nitsoaka ka dia tsy nisy sahy nanaraka azy ireo intsony ny olona manodidina. Mandeha ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ary ilay mpiambina izay voatifitra kosa dia efa notsaboina any amin’ny hopitaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.