Nirefodrefotra ny feom-basy tao Toliara ny zoma teo tokony ho tamin’ny enina ora hariva. Jiolahy dimy tsy nisaron-tava nirongo P.A sy basy hafa no nanafika tranombarotra mpamongady zava-pisotro iray tao Andabizy ka lasa tamin’izany ny vola 20 tapitrisa Ariary niampy basy P.A 7,65 mm sy entana sarobidy hafa toy ny volamena
Maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy nanandrify ny fony ny tompon’ilay magazay voatafika. Lehilahy iray hafa sendra nandalo nitondra moto ihany koa naratra mafy voatifitra nanandrify ny kibony, ka mbola manaraka fitsaboana amin’izao, izay mbola miady mafy amin’ny fahafatesana. Ny alahady teo no nalefa aty an-drenivohitra ny nofo mangatsiakan’ilay «gérant» maty voatifitra. Raha ny loharanom-baovao akaikin’ny mpitandro filaminana dia efa misy olona ahiahiana amin’ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana ao Toliara. Ny fanadihadiana ataon’ny polisy mandray an-tanana ny raharaha ihany no hahafantarana ny marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.