Maro amin’ireo tanora mpianatra avy any amin’iny Faritra Bongolava iny mandranto fianarana eny amin’ny oniversite amin’izao no mbola manofa trano. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRakotoarisoa Santatra, filoha lefitry ny JET ( Jeunes étudiants Tsididiens) dia efa dimy taona izao no nianarany teny Ankatso saingy mbola manofa trano hatrany izy
Efa maro anefa, hoy izy, ny dingana natao toy ny fangatahana mahazatra saingy tsy mety misy valiny mahafa-po. Anisan’ny olana sedrain’ireo tanora mpianatra miisa 50 mpikambana ao amin’ny JET mandranto fianarana eto Antananarivo io. Tsy kivy anefa izy ireo fa vonona hatrany ny hiezaka ho fampandrosoana ny faritra Bongolava fiaviany. Nankalaza ny faha-15 taona niorenan’ny fikambanana misy azy ny JET ny faran’ny herinandro teo. Teny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola no nanamarihan’izy ireo izany natrehin’ireo tompon’andraiki-panjakana maro samihafa avy any an-toerana. Vavaka nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana ny fotoana. Ny lehiben’ny Faritra Bongolava Vorisoa Hajaniaina Tafita Aurelien moa no ray mpiahy ity fikambanan’ny tanora ao Bongolava ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.