Maizina ny tanànan’i Toamasina raha vao manomboka hariva ny andro ankehitriny noho ny delestazy, hoy ny jeneraly Solamena nitatitra ny zava-misy any andrenivohi-dRasaraka omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka
. Misy mangalatra koa izao ny olona ankoatra ny vaky trano iainana isan’andro, hoy izy. Velom-panontaniana mihitsy moa ny lehilahy raha nilaza hoe : “ny olona ve no miharatsy sa ny fanjakana no tsy mahavita mifehy ny vahoaka ? Toa namaly izany ny hafatra nentin’i Manitra mpitolona omaly ihany tamin’ny filazana fa : “manana maso fa tsy mahita, manana sofina fa tsy mandre ary manam-bava fa tsy miteny ny fitondrana ankehitriny fa jerem-potsiny ny fitakiana misesisesy tao ho ao”. In-telo nivoaka, in-telo niditra tsy re tsaika ny filoha Rajaonarimampianina fa ny tandapa no mivazavaza, hoy kosa i Zafilahy Stanislas nanampy izany. Tsy nisy serasera nivantana, hoy izy, fa eritreritra no betsaka vao miainga fa ny fanamby napetraky ny iraisam-pirenena tsy nisy vita. Ny nantenaina tsy azo ary ny an-tanana mihavotsotra sy mihavitsy, ny eto an-toerana mitaky mafy sy miandry vasoka ny nampanantenaina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.