Hampihatra ny lalàna ny zandarimaria, ny polisim-pirenena, ny tafika. Fitiavana sy fitsinjovana ny vahoaka Malagasy no tanjona ary mampalahelo ny tsy
fahatsapan’ny olona maro izany, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria. Ny tany ivelany dia 2600 isan’andro no maty, ka ho antsika dia handray ny andraikitra izahay, hoy izy. Efa nozaraina ny arotava, kanefa 31 185 ny olona efa nanao ilay asa fanasaziana ho soa ho an’ny daholobe na TIG. Efa nanasazy izahay fa mbola hohamafisina satria misy ny mbola mivorivory, manao baolina,… Izay tratra dia farafahakeliny iray andro no manao ilay TIG, raha adin’ny roa na adin’ny telo. Tsy ny arabe ihany fa ny lakan-drano ihany koa maloto ka ho tonga amin’izany ve? Hotazonina any amin’ny “cellule” izay tratra mamerin-keloka. Misy ny fitaterana antsokosoko, misy ny manao taxi-moto, misy ny mahavita mandeha tongotra lavitra hialana amin’ny fepetra,… ka izay tratra tundra dia “fourrière” avy hatrany. Mety hisy hatramin’ny fanatsoahana ny fahazoan-dàlana mamily sy ny fahazoan-dàlana hitatitra. 3187 ny fiara efa naiditra “fourrière”. Manantena fahatongavan-tsaina fa aza miandry fanjakana sy mpitandro filaminana. Hisy fanadihadiana ary hosaziana ny mpitandro filaminana tratra manao tsolotra, hoy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Aza mivoaka ny trano raha tsy tena misy antony mazava sy goavana, hoy izy namarana ny fanazavany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.