Actualités

JEJOO sy ny EFOI Mifanome tanana hanampy ny vehivavy amin'ny fandraharahana


  • Zoma 05 Jolay 2024

Efa hatrany am-piandohana no miasa ho an’ny vehivavy ny Jejoo le quotidien des femmes amin’ny alalan’ny

plateforeme JEJOO” sy ny Club Jejoo. Iray amin’ny sahan’asa voizin’ny JEJOO ny fampiroboroboana vehivavy mpandraharaha amin’ny lafiny rehetra. Miara miasa amin’ny sehatra sy fikambanana maro izy ireo amin’ny fanatanterahana izany, izay marihana fa niampy iray indray satria nanaiky ny hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny JEJOO ny Fikambana Entreprendre au Feminin de l’Ocean Indien na EFOI. Fiara miasa efa nisy ihany izy ity saingy nohamafisina tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonina anio tetsy Ankorondrano. Araka ny fanazavan-Rtoa Bodonirina RAMAVOARIFETRA, mpandrindra ny EFOI Analamanga dia saika iraisana ny olana sedrain’ny mpandraharaha Malagasy. Mahatsiaro manana adidy amin’ny fanampiana ireo vehivavy sy tanora liana sy miroso amin’ny sehatry ny fandraharahana, izay tena mihabetsaka hatrany ny EFOI. Toy izay ihany koa ny JEJOO izay manampy sy manome tanana azy ireo. Haharitra 2 taona ny fiaraha-miasa izay hifantoka amin’ny lafin-javatra maro hoy ny tonian-dahatsoratry ny JEJOO, Ando Nandrianina.
Lalaina RAV

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT