Actualités

Jean Razafindambo «Sarotra hananganana firenena i Madagasikara»


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Sarotra hananganana firenena i Madagasikara, hoy ny mpanoratra sy mpamakafaka politika, Jean Razafindambo.

Raha mijery ny teny Swahili, izay teny nampiasaina tany Afrika atsinanana nanomboka ny taonjato faha 2 isika, hoy izy, dia midika hoe Madagasikara ny teny hoe «Buki». «Bouki» no fanonona azy. Ny teny hoe «Mbuki», raha milaza olon-tokana, sy ny hoe «Wabuki», raha milaza olona maro kosa dia midika hoe Malagasy. Ny teny malagasy kosa dia kibuki. Araka izany dia ny teny swahili avy any Afrika atsinanana, nampiasaina manokana tao amin’ny nosy Zanzibar, no namantarana an’i Madagasikara. Ireo mpiady sakalava no nanafika ny ilany atsinanan’i Afrika mba hambaboana ireo mponina tao ho andevo. Maro isika no mametraka fanontaniana lalina mikasika ny fizarazarana sosialy misy ao Madagasikara izay heverina fa sakana ho an’ny tena fananganana firenena ao Madagasikara. Tsy hisalasalana tsinona ny filazàna fa mbola tsy firenena i Madagasikara, raha ny mari-drefy mamaritra ny antsoina hoe firenena eto ambonin’ny tany no jerena. Tantara lavabe mifampiankina hatramin’ny nialohan’ny fanjanahantany izay mbola mila aravina io, hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT